La jurisprudence francophone des Cours suprêmes


recherche avancée

20/11/1985 | MADAGASCAR | N°64/85-ADM;65/85-ADM

Madagascar | Madagascar, Cour suprême, Chambre administrative, 20 novembre 1985, 64/85-ADM et 65/85-ADM


Texte (pseudonymisé)
Araka ny didy hitsivolana laharana faha 60-048 tamin'ny 22 jiona 1960 mametra ny fombafomba arahina eo anoloan'ny Fitsarana
miandraikitra ny Ady ifanaovana amin'ny Fanjakana ao amin'ny Am Ac, novàn'ny hitsivolana laharana faha 62-073 tamin'ny 29 Septambra
1962 ;
Araky ny andininy faha 02.02.04 ny fehezan-dalàna momba ny hetra ary tovana amin'ny lalàna n° 00 005 tamin'ny 22 Desambra 1977 momba ny
teti-bolam-panjakana ho amin'ny taona 1978 ;
Sy ny lalàna laharana faha 61-013 tamin'ny 19 Jolay 1961 nanorina ny Am Ac novàn'ny hitsivolana laharana faha 62-091 tamin'ny 1

Oktobra 1962 sy ny lalàna laharana faha 65-016 tamin'ny 16 Desambra 196...

Araka ny didy hitsivolana laharana faha 60-048 tamin'ny 22 jiona 1960 mametra ny fombafomba arahina eo anoloan'ny Fitsarana
miandraikitra ny Ady ifanaovana amin'ny Fanjakana ao amin'ny Am Ac, novàn'ny hitsivolana laharana faha 62-073 tamin'ny 29 Septambra
1962 ;
Araky ny andininy faha 02.02.04 ny fehezan-dalàna momba ny hetra ary tovana amin'ny lalàna n° 00 005 tamin'ny 22 Desambra 1977 momba ny
teti-bolam-panjakana ho amin'ny taona 1978 ;
Sy ny lalàna laharana faha 61-013 tamin'ny 19 Jolay 1961 nanorina ny Am Ac novàn'ny hitsivolana laharana faha 62-091 tamin'ny 1
Oktobra 1962 sy ny lalàna laharana faha 65-016 tamin'ny 16 Desambra 1965 ;
Araky ny taratasy famakian'ady nataon'Andriamatoa isany Ae Af B A Ab samy Monteur principal 2ème sy 3 ème échelon
miasa ao amin'ny CENTRE TELEGRAPHE TELEX-Analakely, sy ao amin'ny A.T.T. ny P.T.T Alarobia, voaray tato amin'ny firaketa-draharahan'ny Rantsana
mitsara ny ady ifanaovana amin'ny Fanjakana ato amin'ny Am Ac tamin'ny 6 Jolay 1985 ary mitondra ny laharana faha 64/85-ADM sy
65/85-ADM izay mangataka ny fanasaziana ny Ad Ah handoa vola amin'izy ireo sivy alina ariary (450 000 FMG) sy iray hetsy ariary
(500 000 FMG), ho fanonerana ny fahavoazana nihatra tamin'izy ireo noho ny takaitra azony teo amperin'asa sy ho fampiharana aminy ny didy
aman-dalàna manan-kery ;
....................
Rehefa nifandinika araka ny lalàna ;
An Ae Y Ae Af B A Ab, Mpiasan'ny Paositra ny hanasaziana ny Ad Ah handoa vola
amin'izy ireo sivy alina ariary (450 000 FMG) sy iray hetsy (500 000 FMG) ho fanonerana ny fahavoazana nihatra taminy noho ny takaitra azony
teo amperin'asa vokatry ny lozam-piarakodiam-panjakana nitondra azy ;
Momba ny fanakambanana ho iray ny raharaha :
Ak A Ab B Ae Af dia samy nampiditra taratasy famakian'ady mangataka onitra noho ny voina nihatra tamin'izy
ireo teo am-panatanterahana ny iraka nampanaovina azy ireo tany Ag ;
Ak misy zavatra betsaka ny ifandraisan'ny raharaha roa tonta ka mety ny anambarana ny raharaha ho tsaraina miaraka ;
Momba ny fahefana mitsara ny raharaha :
Ny andininy faha-dimy ambin'ny folo, andàlana faharoa ao amin'ny fehezan-dàlana momba ny paika ady heloka dia mametra fa ny fitsarana tsotra
irery ihany no hany manam-pahefana handinika ny fanonerana ny fahavoazana isan-karazany ateraky ny lozam-piarakodia ;
Koa ho fampiharana izany andinin-dalàna izany dia tsy anjaran'ny Fitsarana etoana ny hitsara sy handinika ity raharaha ity ;
NOHO IREO ANTONY IREO :
Dia mamoaka ny didy manaraka izao :
Andininy voalohany : Akambana mba ho tsarana miaraka ireto raharaha roa tonta ireto ;
Andininy faharoa : Lavina ny fitoriana nataon'Andriamatoa Ae Af B A Ab satria tsy mahefa mitsara izany ny
fitsarana etoana ;
Andininy faha-telo : Izy no handoa ny lany rehetra teo amin'ny Fitsarana.
Andininy faha-efatra : Handefasana kopia mitovy amin'ity didy ity Ae Y AG Al Z Aj sy ny fifandraisan-davitra, ny
Talen'ny Foibe-mpitondrana momba ny Ai B Z Aa C Ad Ah ary ireo mpitory ;


Synthèse
Formation : Chambre administrative
Numéro d'arrêt : 64/85-ADM;65/85-ADM
Date de la décision : 20/11/1985

Parties
Demandeurs : RANDRIANASOLO Télesphore = RANIVO Armand
Défendeurs : ETAT MALAGASY

Origine de la décision
Date de l'import : 22/11/2019
Identifiant URN:LEX : urn:lex;mg;cour.supreme;arret;1985-11-20;64.85.adm ?
Association des cours judiciaires suprmes francophones
Organisation internationale de la francophonie
Juricaf est un projet de l'AHJUCAF, l'association des Cours suprêmes judiciaires francophones. Il est soutenu par l'Organisation Internationale de la Francophonie. Juricaf est un projet de l'AHJUCAF, l'association des Cours suprêmes judiciaires francophones. Il est soutenu par l'Organisation Internationale de la Francophonie.
Logo iall 2012 website award