La jurisprudence francophone des Cours suprêmes


recherche avancée

05/06/1985 | MADAGASCAR | N°13/85-ADM

Madagascar | Madagascar, Cour suprême, Chambre administrative, 05 juin 1985, 13/85-ADM


Texte (pseudonymisé)
Araky ny didy hitsivolana laharana faha 60-048 tamin'ny 22 Jiona 1960 mametra ny fombafomba arahina eo anoloan'ny Fitsarana
miandraikitra ny ady ifanaovana amin'ny Ae ao amin'ny Ad Ab, novàn'ny hitsivolana laharana faha 62-073 tamin'ny 29 Septambra
1962 ;
Araky ny andininy faha 02.02.04 ny fehezan-dalàna momba ny hetra ary tovana amin'ny lalàna n° 00 004 tamin'ny 22 Desambra 1977 momba ny
teti-bolam-panjakana ho amin'ny taona 1978 ;
Sy ny lalàna laharana faha 61-013 tamin'ny 19 Jolay 1961 nanorina ny Ad Ab novàn'ny hitsivolana laharana faha 62-091 tamin'ny 1
Oktobra

1962 sy ny lalàna laharana faha 65-016 tamin'ny 16 Desambra 1965 ;
Ara...

Araky ny didy hitsivolana laharana faha 60-048 tamin'ny 22 Jiona 1960 mametra ny fombafomba arahina eo anoloan'ny Fitsarana
miandraikitra ny ady ifanaovana amin'ny Ae ao amin'ny Ad Ab, novàn'ny hitsivolana laharana faha 62-073 tamin'ny 29 Septambra
1962 ;
Araky ny andininy faha 02.02.04 ny fehezan-dalàna momba ny hetra ary tovana amin'ny lalàna n° 00 004 tamin'ny 22 Desambra 1977 momba ny
teti-bolam-panjakana ho amin'ny taona 1978 ;
Sy ny lalàna laharana faha 61-013 tamin'ny 19 Jolay 1961 nanorina ny Ad Ab novàn'ny hitsivolana laharana faha 62-091 tamin'ny 1
Oktobra 1962 sy ny lalàna laharana faha 65-016 tamin'ny 16 Desambra 1965 ;
Araky ny fitoriana nataon'Andriamatoa RAMAROJAONA Percepteur des Finances teo aloha, monina ao Ikalamavony, voaray tao amin'ny
firaketa-draharahan'ny Rantsana mitsara ny ady ifanaovana amin'ny Ae ato amin'ny Ad Ab tamin'ny 19 Febroary 1985 ary
mitondra ny laharana faha 13/85-ADM izay mangataka ny fanafoanana ny fanapahan-kevitra nataon'ny Foibem-pitondran'ny Trésor tamin'ny 28
Desambra 1984 izay nanatona azy tamin'ny asa aman-draharahany noho ny fahabangana hita teo amin'ny fitantanany tamin'ny fisafoana natao ny 14
Desambra 1984 ;
....................
Rehefa avy nifandinika araky ny lalàna :
Ag Ac A ny hanafoanana ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Foibem-pitondran'ny Trésor izay nampijanona azy teo amin'ny
asa aman-draharahany noho ny fahabangana hita teo amin'ny fitantanany rehefa vita ny fisafoana ny 14 Desambra 1984 ;
Ho fanohanana ny fangatahany no ilazany fa ny tenany dia tokony handray karama mandra-pivoakan'ny didim-pitsarana ady heloka no sady efa
hisotro ronono nefa mbola mamelona ny vady aman-janany iraika ambin'ny folo mianadahy ;
Hita anefa fa zo ananan'ny mpitondra Ae ny mampijanona vonjy maika avy hatrany ny mpiasam-panjakana izay nahavita fahadisoana teo
am-perinasa ka afaka enim-bolana eo vao mety ho hita mazava izay hevitra ho tapahina momba ilay diso ary koa hijerena ny momba ny karamany ;
Koa satria nisy fahabangana be teo amin'ny vola notantanan'i RAMAROJAONA dia lavina ny fangatahana fanafoanana nataony ;
Z Y Ah Y,
Dia mamoaka ny didy manaraka izao ;
Andininy voalohany : Lavina ny fitoriana nataon'Andriamatoa RAMAROJAONA.
Andininy faharoa : Izy no handoa ny lany rehetra teo amin'ny Fitsarana.
Andininy fahatelo : Kopia alefa any amin'ny Minisitra eo amin'ny Fiadidian'ny Repoblika miandraikitra ny Fitantanam-bola sy ny toe-karena, ny
Talen'ny Foibem-pitondrana momba ny Af B X Aa C Ae, ny Talen'ny Foibem-pitondrana ny Trésor ary ny Mpitory.


Synthèse
Formation : Chambre administrative
Numéro d'arrêt : 13/85-ADM
Date de la décision : 05/06/1985

Parties
Demandeurs : RAMAROJAONA
Défendeurs : ETAT MALAGASY

Origine de la décision
Date de l'import : 22/11/2019
Identifiant URN:LEX : urn:lex;mg;cour.supreme;arret;1985-06-05;13.85.adm ?
Association des cours judiciaires suprmes francophones
Organisation internationale de la francophonie
Juricaf est un projet de l'AHJUCAF, l'association des Cours suprêmes judiciaires francophones. Il est soutenu par l'Organisation Internationale de la Francophonie. Juricaf est un projet de l'AHJUCAF, l'association des Cours suprêmes judiciaires francophones. Il est soutenu par l'Organisation Internationale de la Francophonie.
Logo iall 2012 website award