La jurisprudence francophone des Cours suprêmes


recherche avancée

20/01/1982 | MADAGASCAR | N°153/81-ADM

Madagascar | Madagascar, Cour suprême, Chambre administrative, 20 janvier 1982, 153/81-ADM


Texte (pseudonymisé)
Araka ny didy hitsivolana laharana faha 60.048 tamin'ny 22 Jiona 1960 mametra ny fombafomba arahina eo anoloan'ny Fitsarana
miandraikitra ny ady ifanaovana amin'ny Fanjakana ao amin'ny A Ab, novàn'ny hitsivolana laharana faha 62.073 tamin'ny 29 Septambra
1962 ;
Araky ny hitsivolana laharana faha 62.055 tamin'ny 20 Septambra 1962 momba ny Fehezan-dalàna ankapobeny mifehy ny Fanoratana amin'ny
bokim-panjakana sy ny hajia, indrindra fa ny andininy faha 37 ;
Sy ny lalàna laharana faha 61.013 tamin'ny 19 Jolay 1961 nanorina ny A Ab novàn'ny hitsivolana laharana faha 62.091 tam

in'ny 1
Oktobra 1962 sy ny lalàna laharana faha 65.016 tamin'ny 1...

Araka ny didy hitsivolana laharana faha 60.048 tamin'ny 22 Jiona 1960 mametra ny fombafomba arahina eo anoloan'ny Fitsarana
miandraikitra ny ady ifanaovana amin'ny Fanjakana ao amin'ny A Ab, novàn'ny hitsivolana laharana faha 62.073 tamin'ny 29 Septambra
1962 ;
Araky ny hitsivolana laharana faha 62.055 tamin'ny 20 Septambra 1962 momba ny Fehezan-dalàna ankapobeny mifehy ny Fanoratana amin'ny
bokim-panjakana sy ny hajia, indrindra fa ny andininy faha 37 ;
Sy ny lalàna laharana faha 61.013 tamin'ny 19 Jolay 1961 nanorina ny A Ab novàn'ny hitsivolana laharana faha 62.091 tamin'ny 1
Oktobra 1962 sy ny lalàna laharana faha 65.016 tamin'ny 16 Desambra 1965 ;
Araky ny fitoriana nataon'Andriamatoa RALAIVAO Jean Baptiste monina ao Ag AI, voaray tao amin'ny
firaketa-draharahan'ny rantsana mitsara ny ady ifanaovana amin'ny Fanjakana ato amin'ny A Ab tamin'ny 4 desambra 1981 ary mitondra
ny laharana faha 153/81-ADM izay mangataka ny fitsarana etoana hanasazy ny Ad Ah handoa onitra aminy iray tapitrisa ariary
(5.000.000 FMG) noho ny fanamparampahefana nihatra tamin'ny tenany teo amin'ny fitanana amponja azy tsy ara-dalàna ;
....................
Rehefa avy nifampidinika araka ny lalàna ;
Al Ae AJ Jean Baptiste ny hanasaziana ny Ad Ah handoa onitra aminy iray tapitrisa ariary (5.000.000 FMG)
noho ny fanamparam-pahefana nihatra tamin'ny tenany teo amin'ny fitanana am-ponja azy tsy ara-dalàna mandritry ny fitoambin'ny valopolo andro
rehefa voapanga ho nanimba volin'olona ;
Momba ny fahazahoana mitsara ny raharaha :
Araky ny fandaharana misy dia misaraka tanteraka ary samy mahaleo tena ny Fitsarana ady heloka sy ny A A ny ady amin'ny
Ad ;
Af anefa arak'ireo taratasin'ady fa mifototra amin'ny fijerena ny fandehan'ny Fitsarana ady heloka ny fangatahana onitra ataon'ny mpitory ;
ka tsy anjaran'ny Fitsarana etoana ny manao famotorana na manasazy ny manao hadisoana tamin'izany ;
C AL Ai Z AL,
Dia mamoaka ny didy manaraka izao :
Andininy voalohany :- Lavina ny fangatahan'Andriamatoa RALAIVAO Jean Baptiste ;
Andininy faharoa :- Izy no handoa ny lany rehetra teo amin'ny fitsarana ;
Andininy fahatelo :- Alefa any amin'Andriamatoa Aj AH A, ny Talen'ny Ac Am X AH Ak B AH Aa
AG Ad AK ny Mpitory ny kopian'ny didim-pitsarana ;


Synthèse
Formation : Chambre administrative
Numéro d'arrêt : 153/81-ADM
Date de la décision : 20/01/1982

Parties
Demandeurs : RALAIVAO Jean Baptiste
Défendeurs : FANJAKANA MALAGASY

Origine de la décision
Date de l'import : 22/11/2019
Identifiant URN:LEX : urn:lex;mg;cour.supreme;arret;1982-01-20;153.81.adm ?
Association des cours judiciaires suprmes francophones
Organisation internationale de la francophonie
Juricaf est un projet de l'AHJUCAF, l'association des Cours suprêmes judiciaires francophones. Il est soutenu par l'Organisation Internationale de la Francophonie. Juricaf est un projet de l'AHJUCAF, l'association des Cours suprêmes judiciaires francophones. Il est soutenu par l'Organisation Internationale de la Francophonie.
Logo iall 2012 website award