La jurisprudence francophone des Cours suprêmes


recherche avancée

02/12/1981 | MADAGASCAR | N°94/81-ADM

Madagascar | Madagascar, Cour suprême, Chambre administrative, 02 décembre 1981, 94/81-ADM


Texte (pseudonymisé)
Araky ny didy hitsivolana laharana faha 60-048 tamin'ny 22 Jiona 1960 mametra ny fombafomba arahina eo anoloan'ny Fitsarana
miandraikitra ny Ady ifanaovana amin'ny Fanjakana ao amin'ny An Ad, novàn'ny hitsivolana laharana faha 62-073 tamin'ny 29 Septambra
1962 ;
Araky ny hitsivolana laharana faha 62-055 tamin'ny 20 Septambra 1962 momba ny Fehezan-dalàna ankapobeny mifehy ny Fanoratana amin'ny
bokim-panjakana sy ny hajia, indrindra fa ny andininy faha 37 ;
Sy ny lalàna laharana faha 61-013 tamin'ny 19 Jolay 1961 nanorina ny An Ad novàn'ny hitsivolana laharana faha 62-091 t

amin'ny 1
Oktobra 1962 sy ny lalàna laharana faha 65-016 tamin'ny...

Araky ny didy hitsivolana laharana faha 60-048 tamin'ny 22 Jiona 1960 mametra ny fombafomba arahina eo anoloan'ny Fitsarana
miandraikitra ny Ady ifanaovana amin'ny Fanjakana ao amin'ny An Ad, novàn'ny hitsivolana laharana faha 62-073 tamin'ny 29 Septambra
1962 ;
Araky ny hitsivolana laharana faha 62-055 tamin'ny 20 Septambra 1962 momba ny Fehezan-dalàna ankapobeny mifehy ny Fanoratana amin'ny
bokim-panjakana sy ny hajia, indrindra fa ny andininy faha 37 ;
Sy ny lalàna laharana faha 61-013 tamin'ny 19 Jolay 1961 nanorina ny An Ad novàn'ny hitsivolana laharana faha 62-091 tamin'ny 1
Oktobra 1962 sy ny lalàna laharana faha 65-016 tamin'ny 16 Desambra 1965 ;
Araky ny fitoriana nataon'Andriamatoa VELONALY Jean Célestin, monina ao Ouest Etablissement des Soeurs Barré TSF - Al, voaray tao amin'ny
firaketan-draharahan'ny Rantsana mitsara ny ady ifanaovana amin'ny Fanjakana ato amin'ny An Ad tamin'ny 13 Jolay 1981 ka mitondra
ny laharana faha 94/81-ADM izay mangataka ny fitsarana etoana handidy ny Filohan'ny Ac Aj C B,
Am'i Ae, Ap'i Al handoa vola aminy enin-jato sy arivo sy dimy alina sy roa hetsy iraimbilanja (251.600
FMG) ho karama sy volan-jaza izay mbola tsy azony ;
....................
Rehefa avy nifandinika araky ny lalàna ;
Ar Af X Ab Aa ny hanasaziana ny Filohan'ny Ac Aj ny Firaisampokontanin'Andranolava handoa vola
aminy telon-jato sy iray alina sy iray hetsy iraimbilanja (110.300 FMG) karama ara-dalàna tokony ho azony nandritry ny taona 1978 sy 1979, sy
telon-jato sy arivo sy efatra alina sy iray hetsy iraimbilanja (141.300 FMG) volan-jaza dimy mifanaraka amin'io fe-potoana voalaza io ;
Momba ny fahefana mitsara ny raharaha :
Araky ny famotorana sy ny fehezan-taratasin'ady no ahitana fa ny mpangataka dia mpandraharaha miandraikitra asa maharitra (ELD) tsy voafehin'ny
satan'ny mpiasam-panjakana fa kosa ny fehezan-dalàna momba ny asa no ampiasaina aminy raha misy olana mikasika ny tenany ary izany ho
fampiharana ny didim-panjakana 64-213 sy 64-214 tamin'ny 27 May 1964 ;
Ka noho izany dia tsy mahefa mitsara ity raharaha ity ny rantsana mitsara ny ady ifanaovana amin'ny Ag ;
Ao etsy an-daniny raha nentin'ny mpitory teo anatrehan'ny tribonaly adin'asa ny raharaha etoana, dia mamoaka ny didy laharana faha 4-C
tamin'ny 26 Marsa 1981 ity fitsarana ity ary nilaza fa tsy mahefa mitsara izany satria ny fifanolanana miseho ankehitriny dia eo amin'ny
sampan-draharaham-panjakana iray sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ;
Koa eo anoloan'izany toe-javatra izany dia alefa eo anatrehan'ny fivoriam-ben'ny An Ad (Assemblée Plénière de la Cour Suprême) ny
raharaha etoana ho fampiharana ny andininy faha-19 ao amin'ny Lalàna faha 61-013 tamin'ny 19 Jolay 1961 ;
Y AG Ah Z AG,
Dia mamoaka ny didy manaraka izao :
Andininy voalohany :- Tsy mahefa mitsara ity raharaha ity ny rantsana mitsara ny ady ifanaovana amin'ny Ag ;
Ak faharoa :- Entina eo anatrehan'ny Fivoriamben'ny An Ad izy ity ;
Andininy fahatelo :- Ny vola lany rehetra teo amin'ny fitsarana sy ny antom-pangatahan'ireo mpiady dia mbola ahantona mandrapilaza izay
antoko-pitsarana handinika ny raharaha ;
Andininy fahefatra :- Alefa amin'Andriamatoa isany : Ai C Aq, Filohan'ny Ac Aj C Am'i
Ae, Filohan'ny Ac Aj ny Firaisampokontanin'Andranolava sy ny mpitory ny kopian'ity didy ity.


Synthèse
Formation : Chambre administrative
Numéro d'arrêt : 94/81-ADM
Date de la décision : 02/12/1981

Parties
Demandeurs : VELONALY Jean Célestin
Défendeurs : FILOHAN'NY KOMITY MPANATANTERAKA NY FIRAISAMPOKONTANIN'ANDRANOLAVA

Origine de la décision
Date de l'import : 22/11/2019
Identifiant URN:LEX : urn:lex;mg;cour.supreme;arret;1981-12-02;94.81.adm ?
Association des cours judiciaires suprmes francophones
Organisation internationale de la francophonie
Juricaf est un projet de l'AHJUCAF, l'association des Cours suprêmes judiciaires francophones. Il est soutenu par l'Organisation Internationale de la Francophonie. Juricaf est un projet de l'AHJUCAF, l'association des Cours suprêmes judiciaires francophones. Il est soutenu par l'Organisation Internationale de la Francophonie.
Logo iall 2012 website award